Lubumbashi
![](http://chped.net/https/upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/3/30/Downtown_Lubumbashi%2C_Democratic_Republic_of_the_Congo_-_20061130.jpg/289px-Downtown_Lubumbashi%2C_Democratic_Republic_of_the_Congo_-_20061130.jpg)
![](http://chped.net/https/upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/f/f8/Democratic_Republic_of_the_Congo_%2826_provinces%29_-_Haut-Katanga.svg/220px-Democratic_Republic_of_the_Congo_%2826_provinces%29_-_Haut-Katanga.svg.png)
I Lubumbashi dia tanàna ao amin' ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô (RDK), akaiky ny tendro atsimo-atsinanan' io firenena io. Izy no tanàna faharoa na fahatelo ao amin' io firenena io raha ny isan' ny mponina no heverina, ka ny tanànan' i Mbuji-Mayi no mifanianana aminy amin' izany. I Kinshasa no eo alohany. I Lubumbashi no renivohitry ny faritanin' i Katanga talogan' ny taona 2016. Taorian' izy dia lasa renivohitry ny faritanin' i Haut-Katanga izy. Atsoina hoe "renivohitry ny varahina" i Lubumbashi.
Tamin' ny taona 1910 no nanorenan' ny Belza an' i Lubumbashi, izay nanrtsoin' izy ireo hoe Élisabethville na Elisabethstad (araka ny anaran' i Elisabeth in Beieren, mpanjakavavin' i Belzika). Tamin' ny taona 1966 no niantsoana voalohany ny anaran' io tanàna io ho Lubumbashi.