Fitaterana ana habakabaka
![](http://chped.net/https/upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/6/66/Changi_Airport_traffic_jam_%285621408218%29.jpg/266px-Changi_Airport_traffic_jam_%285621408218%29.jpg)
Ny fitaterana ana habakabaka dia asa momba ny fitaterana mpandeha na entana izay atao eny amin' ny habakabaka atao amin' ny alalan' ny fiaramanidina, izay mahafaoka koa ny sehatra ara-toekarena mamondrona ireo asa lehibe na fanampiny mahakasika izany fitaterana izany.
![](http://chped.net/https/upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/e/ec/An_Austrian_Airlines_flight_attendant_serving_refreshments_to_passengers.jpg/220px-An_Austrian_Airlines_flight_attendant_serving_refreshments_to_passengers.jpg)
Tamin' ny taona 2012 dia nahatratra 80 000 ny sidina ara-barotra tanteraka isan' andro (ka ny 28 000 amin' izany dia tao Eorôpa), zany hoe sidina miisa 29 200 000 tanatin' ny taona.
Eo amin' ny sehatra maneran-tany dia miomana amin' ny fitombon' ny fitaterana mpandeha izay ho roa heny ny Fikambanana Irasam-Pirenena momba ny Fitaterana ana Habakabaka eo anelanelan' ny taona 2019 sy 2037.
Orinasa mpitatitra ana habakabaka no misahana indrindra izany karazam-pitaterana izany, izay mampiasa fiaramanidina mpandeha lavitra afaka misidina any amin' ny 10 km miala ny tany. Ampahany kely dia kely no sahanin' ny angidimby. Ny fikarakarana atao hanomezana fahafaham-po ny mpandeha dia ny fivarotana tapakila, ny fanoratana ny anarana, ny fampidirana anaty fiaramanidina, ny fanomezana toerana mahafinaritra ao anaty fiaramanidina, sns.