Ôbadia
![](http://chped.net/https/upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/c/c1/Obadiah_%28%D0%9E%D0%B2%D0%B4%D0%B8%D0%B9%29.jpg/220px-Obadiah_%28%D0%9E%D0%B2%D0%B4%D0%B8%D0%B9%29.jpg)
I Ôbadia na Abdiasa dia mpaminanin' i Israely voaresaka ao amin' ny Baiboly. Niaro ny ain' ireo mpaminany hafa miisa 100 izay nenjehin' ny mpanjakavavy Jezebela izy ary naminany ny handravana an' i Edôma. Tamin' ny andron-dry Jeremia angamba no fotoana nahavelomany ka mety nahita ny fandravana an' i Jerosalema sy ny Tempoly voalohany tamin' ny fanafihan' i Nebokadnetsara tokony ho tamin' ny taona 600 tal. J.K. Nanan-karena i Ôbadia nefa nozarainy tamin' ireo mpaminany mahantra izany. Nindram-bola misy zanany tamin' i Jôrama zanaky ny mpanjaka Ahaba izy hamelomany an' ireo mpaminany ireo. Lazain' ny Baiboly ho nihoatra ny an' i Abrahama ny fatahoran' i Ahaba an' Andriamanitra. Ny lovantsofina jiosy dia manao an' i Ôbadia ho nanoratra ny Bokin' i Ôbadia.
Ny anarany[hanova | hanova ny fango]
Amin' ny teny hebreo dia atao hoe עֹבַדְיָה /ʿŌvaḏyāh na עֹבַדְיָהוּ /ʿŌvaḏyā́hū; izay midika hoe "Mpanompon' i Yah" (izany hoe "Mpanompon' i Iahveh"), i Ôbadia.
Jereo koa[hanova | hanova ny fango]
Mpaminany lehibe:
Mpaminany madinika
- Hôsea na Ôsea - Jôela na Jôely - Amôsa na Amôsy - Ôbadia na Abdiasa - Jônà na Jônasa - Mika na Mikea - Nahoma - Habakoka - Zefania na Sôfônia - Hagay na Akjea - Zakaria - Malakia.