Simôna Bar Kôkhba
![](http://chped.net/https/upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/6/66/Arthur_Szyk_%281894-1951%29._Bar_Kochba_%281927%29%2C_Paris.jpg/259px-Arthur_Szyk_%281894-1951%29._Bar_Kochba_%281927%29%2C_Paris.jpg)
I Simôna Bar Kôkhba dia lehilahy mpitarika ny fikomian' ny Jiosy na Jody tamin' ny Rômana teo anelanelan' ny taona 132 sy 135.
Ny anarany[hanova | hanova ny fango]
Amin' ny teny arameana ny anarany dia atao hoe שמעון בר כוכבא / Shimon bar Kokhba izay midika hoe "Simôna zanaky ny kintana".
Tantarany[hanova | hanova ny fango]
Tamin' izany fotona izany dia niezaka hampanjaka ny kolontsana rômana tao Jodea na Jodia ny emperora Hadriano (latina: Publius Aelius Hadrianus Augustus) ka tsy namela ny Jiosy hiditra ao Jerosalema afa-tsy andro iray isan-taona, ary nandrara azy ireo tsy hanao famorana. Raikitra noho izany ny fikomian' ny Jiosy. I Bar Kôkhba no nitarika izany fikomiana izany, izay notohanan' ny iray amin' ny raby nankatoavin-teny indrindra tamin' izany, dia i Akiva ben Jôsefa, izay nanambara an' i Bar Kôkhba ho Mesia (hebreo: מָשִׁיחַ / māshîaḥ) nalefan' Andriamanitra hamerina indray ny fanjakan' i Israely sy hanjaka amim-pahamarinana amin' ny olombelona rehetra.
![](http://chped.net/https/upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/d/db/Barkokhba-silver-tetradrachm.jpg/220px-Barkokhba-silver-tetradrachm.jpg)
Nanangona tafika lehibe i Bar Kokhba, izay nahitana Jiosy avy ao Jodea sy avy amin' ny firenena hafa any Atsinanana. Nandresy ny tafika rômana i Bar Kokhba sady naka an' i Jerosalema sy tanan-dehibe dimampolo eo ho eo ary tanàna madinika maro koa.
![](http://chped.net/https/upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/7/7d/Beitar-169.jpg/220px-Beitar-169.jpg)
Nanangana tafika vaovao indray i Hadriano nefa mbola ravan' ny tafik' i Bar Kôkhba izany. Noho izany dia niantso mpitari-tafika mahay i Hadriano, dia i Jolio Severo (latina: Sextus Julius Severus), izay niady nandritra ny andro maro ka nanapitra ny fikomiana jiosy tao amin' ny famaharana Betàra (hebreo: בֵּיתַּר / Bethar) ao akaikin' i Jerosalema izy tamin' ny volana Aogositra 135. Tamin' izany no nahafatesan' i Bar Kôkhba.