Antsahadinta
Apparence
![](http://chped.net/https/upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/b/b1/Trano_fitomiandalana_ao_anaty_rovan%27Antsahadinta.jpg/220px-Trano_fitomiandalana_ao_anaty_rovan%27Antsahadinta.jpg)
Antsahadinta dia iray amin' ireo tendrombohitra roa ambin' ny folo masina tao amin' ny Fanjakana Merina. Io toerana io dia nohatsarain' ny mpanjaka Andriamangarira (1725 - 1775), zafikelin' Andriamasinavalona, mpanjakan' Imerina (1675 - 1710). Tao no nisy ny renivohitry ny fanjakana tany amin' ny tapany andrefan' Imerina.
![](http://chped.net/https/upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/b/b4/Temple_FJKM_Antsahadinta_vaovao_sis_sur_la_colline_royale_d%27Antsahadinta.jpg/148px-Temple_FJKM_Antsahadinta_vaovao_sis_sur_la_colline_royale_d%27Antsahadinta.jpg)
Tao koa nisy ny iray amin' ireo sekolim-panjakana roa ambin' ny folo voalohany naorin' i James Cameron sy ireo misiôneran' ny London Missionary Society (LMS) hafa tamin' ny andron-dRadama I. Ahitana fasana mpanjaka merina maromaro ao.