Baska (vahoaka)
Apparence
![](http://chped.net/https/upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/8/8c/Olentzero%2C_Beasain.jpg/220px-Olentzero%2C_Beasain.jpg)
![](http://chped.net/https/upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/2/2d/Flag_of_the_Basque_Country.svg/220px-Flag_of_the_Basque_Country.svg.png)
Ny Baska dia vahoaka teratany hita indrindra ao amin' ny Firenena Baska, mamakivaky ny atsimo-andrefan' i Frantsa sy ny avaratr' i Espaina. Ny fifindra-monina lehiba ara-tantara dia niteraka diaspôra baska, izay niorim-ponenana indrindra any Amerika Atsimo.
Ny ankamaroan' ny Baska dia mipetraka any amin' ny faritany ara-tantara fito ao amin' ny Firenena Baska (20 747 km²) ary mizara eo anelanelan' i Frantsa sy Espaina, eo amin' ny tehezana roan' ny Pyrénées sy eo amin' ny sisin' ny Ranomasimbe Atlantika (Helodranon' i Gascogne).
Tamin' ny taona 2016 dia miteny espaniôla ny 48,6 %, miteny baska sy espaniôla ny 42 %, miteny frantsay ny 6,6 %, miteny baska sy frantsay ny 2,8 %, ary tsy miteny afa-tsy baska ny 0,1 %.