Emmerson Mnangagwa
Apparence
![](http://chped.net/https/upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/3/31/Emmerson_Mnangagwa_Official_Portrait.jpg/220px-Emmerson_Mnangagwa_Official_Portrait.jpg)
I Emmerson Mnangagwa dia mpitondra fanjakana ao Zimbaboe, teraka tamin' ny 15 Septambra 1942 tao Shabani (Zvishavane ankehitriny). Filoha lefitry ny Repoblikan' i Zimbaboe voalohany tamin' ny taona 2014 ka hatramin' ny 2017 izy, avy eo lasa filohan' ny firenena taorian' ny fanonganam-panjakana tamin' ny taona 2017, izay niafara amin' ny fialan' i Robert Mugabe teo amin' ny fitondrana. Nandresy tamin' ny fifidianana filoham-pirenena izy tamin' ny taona manaraka an' io.