Aller au contenu

Fanjakana Ptôlemaika

Avy amin'i Wikipedia
Fanjakana Ptôlemaika

Ny Fanjakana Ptôlemaika (grika kôine: Πτολεμαϊκὴ βασιλεία, Ptolemaïkḕ basileía) dia fanjakana helenistika tamin' ny Andro Taloha niorina tany Ejipta nandritra ny vanim-potoana helenistika. Naorin' i Ptôlemaiôsy I Sôtera, naman' i Aleksandra Lehibe izy io tamin' ny 305 tal JK, ary naharitra hatramin' ny nahafatesan' i Kleôpatra VII tamin' ny taona 30 tal JK. Nanjaka nandritra ny taonjato telo teo ho eo ireo Ptôlemeôsy, sady tarana-mpanjaka ejipsianina lava indrindra sy vao haingana indrindra. Nandresy an' i Ejipta fehezin' ny Persianina i Aleksandra Lehibe tamin' ny taona 332 tal. JK.