Fianakaviam-piteny tongoza
Apparence
![](http://chped.net/https/upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/2/2f/Linguistic_map_of_the_Tungusic_languages.png/368px-Linguistic_map_of_the_Tungusic_languages.png)
Ny fiteny tongoza na fiteny tongozy na fiteny tongozika dia fianakaviam-piteny ao Azia Avaratra sy Azia Atsinanana, izay tenenin' ireo vahoaka tongoza. Matetika dia ampifanakekezina amin' ireo fiteny torkika sy ireo fiteny môngôlika izy ireo mba hamorona ny fianakaviambem-piteny altaika nefa maro ny mpahay teny mitsipaka izany.