Fiangonana Apôstôlika Armeniana
![](http://chped.net/https/upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/9/95/Armenian_Apostolic_Church_logo.svg/268px-Armenian_Apostolic_Church_logo.svg.png)
Ny Fiangona Apôstôlika Armeniana na Fiangonana Armeniana dia fiangonana ôrtôdôksa anisan' ireo fiangonan' ny kônsily telo. Atao hoe Հայաստանեայց Առաքելական Եկեղեցի / Hayastaneayc’ Aṙak’elakan Ekeġec’i izy amin' ny teny armeniana.
![](http://chped.net/https/upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/9/99/Etchmiadzin_cathedral.jpg/183px-Etchmiadzin_cathedral.jpg)
Nandray ny arana hoe "apôstôlika" io fiangonana io satria, araka ny lovantsofina, dia naorin' ny apôstôly Joda Tadeo sy Bartôlômeo (na Bartelemy). Nanjary fiangônanam-panjakana tao amin' ny Fanjakan' i Armenia izy tamin' ny fiovam-pinoan' ny mpanjaka Tiridatesy IV (armeniana: Տրդատ Դ) tamin' ny alalan' i Gregôriôsy Fôstera (armeniana: Գրիգոր Ա Լուսաւորիչ; grika: Γρηγόριος Φωστήρ). Nampandroso ny mampiavaka manokana azy izy tamin' ny taonjato faha-6 hatramin' ny faha-18, izay nanamarin-toerana ny kristôlôjiany amin' ny fandraisany ny miafizisma. Ny patriarka ankehitriny dia i Karekin II nanomboka tamin' ny 27 Oktobra 1999.
![](http://chped.net/https/upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/3/3b/Garegin_II.jpg/148px-Garegin_II.jpg)
Ireto koa no anarana iantsoana io fiangonana io:
- Fiangonana Ôrtôdôksa Armeniana
- Fiangonana Gregôriana Armeniana
- Fiangonana Apôstôlika Armeniana Gregôriana
- Fiangonan' i Armenia
- Fingonana Armeniana