Aller au contenu

Fihavanana

Avy amin'i Wikipedia

Ny fihavanana dia endriky ny fifandraisana eo amin' ny fiarahamonina araka ny kolontsaina malagasy izay mivoy ny fifanampiana sy ny fifandeferana ary ny firaisan-kina anjakan' ny filaminana. Amin' ny heviny mifintina ny teny hoe fihavanana dia manondro ny fifandraisan' ny olona iray fianakaviana.

Ohabolana momba ny fihavanana[hanova | hanova ny fango]

  • Aleo very tsikalakalam-bola toy izay very tsikalakalam-pihavanana.
  • Aza atao fihavanam-bato, ka raha tapaka tsy azo atohy, fa ataovy fihavanan--dandy, ka ny maito azo tohizana, ny mandilana, arahim-panondro.
  • Aza manao fihavanan' amboa, ka taolana iray no isarahana.
  • Ny fandroana no isan-taona fa ny fihavanana kosa isan' andro.
  • Ny fitia mifamaly no maha tsara fihavanana.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]