Filôzôfia helenistika
Apparence
![](http://chped.net/https/upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/4/49/%22The_School_of_Athens%22_by_Raffaello_Sanzio_da_Urbino.jpg/284px-%22The_School_of_Athens%22_by_Raffaello_Sanzio_da_Urbino.jpg)
Ny filôzôfia helenistika dia ny fitambaran' ny filôzôfia grika rehetra tamin' ny vanim-potoana helenistika izay nanomboka tamin' ny taona 323 tal. J.K., daty nahafatesan' i Aleksandra Lehibe, hatramin' ny ady tao Aktioma tamin' ny taona 30/31 tal. J.K., daty nahafatesan' i Kleôpatra. Ny sekoly nanjaka tamin' izany vanim-potoana izany dia ny stôika sy ny epikoreana ary ny skeptika, tao koa ny platônisma sy ny aristôtelisma ary ny sekolin' i Sôkraty.