Fiteny bolgariana
![](http://chped.net/https/upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/9/9f/Distribution_of_Bulgarian_Speakers.png/290px-Distribution_of_Bulgarian_Speakers.png)
Ny fiteny bolgariana dia fiteny ao amin' ny fianakaviam-piteny indô-eorôpeana ao amin' ny vondrom-piteny slava indrindra ao amin' ny fiteny slava atsimo, iray amin' ireo zana-bondrona telo. Mifampitohy amin' ireo fiteny hafa ao amin' io zana-bondrona io ny fiteny bolgariana ka anisan' izy ireo ny fiteny serbô-krôaty sy ny fiteny slôvena sy ny fiteny makedôniana ary ny fiteny slava tranainy.
Ny fiteny bolgariana no fiteny ôfisialin' i Bolgaria izay ahitana mpiteny azy betsaka sady iray amin' ny fiteny ôfisialy 24 ao amin' ny Vondrona Eorôpeana io fiteny io.
![](http://chped.net/https/upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/2/29/Bulgarian_cursive_alphabet.png/220px-Bulgarian_cursive_alphabet.png)
Ahitana mpiteny bolgariana koa ao amin' ny firenena manakaiky an' i Bolgaria, sahala amin' i Okraina, i Môldavia, i Makedônia Avaratra, i Romania, i Grisia ary i Torkia, ao amin' ny sisin-tany andrefan' i Serbia, ary ao amin' ny vahoaka vitsy ao amin' ny firenena maro, ka mitotaly 8 tapitrisa hatramin' ny 10 tapitrisa ny mpiteny bolgariana. Soratana amin' ny abidy sirilika ny fiteny bolgariana. Ny fiteny slava tranainy, izay atao hoe fiteny bolgariana tranainy koa, no fiteny nipoirany.