Aller au contenu

Hôrosy

Avy amin'i Wikipedia
I Hôrosy

I Hôrosy na Hôro dia iray amin' ireo andriamanitra egiptiana taloha. Ny fanehoana azy fantatra indrindra dia ny sarina hitsikitsika misatroka skemty na olona milohan-kitsikitsika. Ny anarana hoe Hôro (egiptiana: Horu) dia midika hoe "lavitra", ka mampahatsiahy ny fanidinan' ilay vorona mpihaza. Ny fanompoam-pivavahana natao tamin' i Hôrosy dia efa nisy talohan' ny tantaran' i Egipta. Ny tanàna tranainy napetraka ambany fiarovan' i Hôrosy dia mety ho i Nekhen, izay midika hoe "Tanàn' ny Hitsikitsika" (Hierakônpôlisy / Hierakonpolis). Hatramin' ny voalohany dia mifandray hentitra amin' ny fitondràn' ny faraôna i Hôrosy amin' ny maha andriamanitra mpiaro sy andriamanitry ny fianakavia-mpanjaka (dinastia) azy. Ireo mpanaraka an' i Hôrosy izany no andriamanjaka voalohany teo ambany fahefany (dinastia egiptiana 0). Tamin' ny fiantombohan' ny vanimpotoan' ny tantara, ny sarin' ny hitsikitsika masina dia hita tamin' ny vatofisaka fametrahan' ny mpanjaka Narmera (Narmer) zavatra fanosotra amin' ny hoditra, ka hatramin' izay dia tsy afa-nisaraka tamin' ny fahefan' ny mpanjaka.

Ao amin' ny fedrà na angano tranainy indrindra, i Hôrosy sy i Seta dia andriamanitra tsy afa-misaraka, izay manan-toetra mifandrafy, ka ny iray mandratra ny iray. Avy amin' izany faifanandrinana izany i Tôty, andriamanitra volana, izay heverina ho zanaka itambaran' izy roa. Tamin' ny Empira Voalohany dia nanao fivoasana momba izany fedrà izany ireo mpisorona tao Heliôpôlisy ka nampiditra an' i Ôsirisy, izay môdelin' ny faraôna maty lasa andriamanitra. Izany teôlôjia vaovao izany dia nanamarika ny fisehoan' ny fedrà mômba an' i Ôsirisy izay anehoana an' i Hôrosy ho zanak' i Ôsirisy taorian' ny nahafatesany, izay nateraky ny asa majikan' i Isisy reniny. Noho izany dia misahana anjara asa lehibe i Hôrosy. Niady tamin' i Seta dadatoany izay nampono an-drainy izy, ka nandresy sy nisambotra azy. Naetry voninahitra i Seta ka i Hôrosy no voahosotra ho faraônan' i Egipta ary ny rainy no napetraka ho mpanjakan' ny any an-koatra. Talohan' ny hiadiany amin-kery tamin' ny dadatoany anefa dia botry keliray i Hôrosy. Amin' ny maha andriamanitra-zaza azy, i Hôrosy dia môdelin' ny zazakely tandindomin' ny loza isan-karazany eo amin' ny fiainana. Matetika izy no saika indaosin' ny fahafatesana, ka lasa zaza mandresy hatrany ny fahasahiranana eo amin' ny fiainana. Noho izany dia andriamanitra mpanasitrana sy mpamonjy mahomby dia mahomby izy amin' ny ady atao amin' ireo hery ratsy.

Ankoatry ny toetra itambarany amin' ny fianakaviany sy maha mpanjaka azy dia andriamanitry ny zavatra rehetra i Hôrosy, andriamanitra miendrika angano ka ny Masoandro sy ny Volana no masony. Ny mason' i Hôrosy ankavia, atao hoe Irt udjat ("Maso mpiaro"), dia eva (famantarana) mahery akambana amin' ny fanatitra amin' ny fandevenana, aterina amin' i Tôty sy amin' ny Volana ary amin' ireo endrika fisehon' ny Volana. Io maso io, izay noratrain' i Seta sy nositranin' i Tôty, no zava-manazava amin' ny alina izay miverimberina manjavona sy mitranga indray eny amin' ny lanitra. Izany fahavelomana miverimberina izany dia mamintina miverimberina ny fahaterahana fanindroan' ny Egiptiana maty rehetra.

Nivavahana manerana ny faritra rehetra tao Egipta i Hôrosy amin' ny endriny maro samihafa. Ao Edfo, izay iray amin' ireo tempoly tsara tarehy naorina tamin' ny vanimpotoan' ireo Ptôlemaiôsy, dia voatsidiky ny sarivongan' ny andriamanibavy Hatôra avy any Denderah, miaraka amin' i Harsômtosy, isan-taona i Hôrosy, ka mamorona andriamanitra kamban-telo (triada). Tao Kôna Ômbô dia nakambana tamin' i Sôbeka (andriamanitra voay) i Hôrosy Antidahy (Hôrôerisy). Noho izany dia niely hatrany ivelan' i Egipta ny fivavahana amin' i Hôrosy, indrindra tany Nobia. Nanomboka tamin' ny vanimpotoana farany tamin' ny tantaran' i Egipta, vokatry ny fivavahana amin' i Isisy, dia nalaza ny andriamanitra zazakely (Harpôkratesy) tamin' ireo faritra manodidina ny Ranomasina Mediteranea mandray ny akon' ny kolontsaina grika sy rômana.