Aller au contenu

Kisendrasendra

Avy amin'i Wikipedia
Taikely

Ny kisendrasendra dia fitsipiky ny fisehoan-javatra tsy misy ifandraisany amin' ny antony fantatra. Amin' ny fomba fiteny mahazatra, ny kisendrasendra dia ny tsy fahampian' ny rafitra voafaritra na azo vinavinaina momba ny fampahalalana. Matetika tsy misy filaminany ny fifanarakarahana kisendrasendran' ny fisehoan-javatra na marika na dingana ary tsy manaraka lamina na fifampitohizana azon' ny saina takarina. Ny fisehoan-javatra kisendrasendra tsirairay, raha ara-pamaritana, dia tsy azo vinanina mialoha, fa raha misy ny fitsinjarana ara-bina fantatra, dia azo vinavinaina mialoha ny fahatetehan' ny vokatra samihafa amin' ny tranga miverimberina.

Ohatra, rehefa manipy taikely roa dia tsy azo vinaniana ny vokatry ny fanipazana iray manokana, fa ny totaly 7 dia mety hitranga avo roa heny noho ny 4. Araka izany, ny kisendrasendra dia refin' ny tsy fahatokisana ny hisehoan' ny vokatra iray. Ny sehatry ny matematika sy ny vina ary ny antontanisa dia mampiasa famaritana mazava momba ny kisendrasendra, amin' ny ankapobeny dia mihevitra fa misy ny fitsinjaran' ny vina "tsy mitanila". Ny kisendrasendra dia matetika ampiasaina amin' ny antontanisa mba hilazana ny toetra araka isa voafaritra tsara.