Aller au contenu

Lactuca indica

Avy amin'i Wikipedia
Lactuca indica

Ny Lactuca indica dia karazana zavamaniry ao amin' ny foko Cichorieae ao anatin' ny fianakaviana Asteraceae. Ity zavamaniry ity dia teratany any amin' ny tapany andrefan' i Sina (Xinjiang, Tibet), any amin' ny tandrombohitra Himalaya, ary any Azia Atsimo-Andrefana hatrany andrefana any Torkia. Io narany ara-tsiansa io dia midika hoe "salady indiana". Nampidirina be dia be any amin' ny faritra hafa izy io, eny fa na any amin' ny Afrika Atsinanana aza, ary heverina ho nampidirina tany Japana efa tamin' ny andro fahagola, nentina niaraka amin' ny fambolem-bary.

Amin' ny teny malagasy ity zavamaniry ity dia atao hoe beroberoka, nefa tsy io ihany ny antsoin' ny Malalagasy hoe beroberoka fa misy karazan-javamaniry hafa koa.

Ny Lactuca indica dia ahitra maniry maharitra roa taona, mitombo avy amin' ny fakany ka mahatratra 40 sm farafahakeliny ary matetika mahatratra 2 m. Ny voniny dia misy felany miloko fotsy mankamin' ny mavo matroa ka ny afovoany dia mavo. Ny sakan' ny felan-draviny izay kely sy ny tsiro amam-pofon' ny raviny dia miovaova be arakaraka ny faritra aniriany.

Izy io dia ambolena (na ny marimarina kokoa, ampirisihina ny fambnolena azy) ho sakafon' ny bitro, ny kisoa, ny akoho amam-borona ary na ny trondro aza any Azia. Ny raviny tanora dia azo ampiasaina hatao anana atao salady toy ny beroberoka fihinana hafa. Ampiasaina amin' ny fitsaboana nentim-paharazana izy io ho fanampiana amin' ny fandevonan-kanina.