Madera
Apparence
![Sarintany ara-topografikan'i Madera](http://chped.net/https/upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/f/f7/Madeira_topographic_map-fr.svg/220px-Madeira_topographic_map-fr.svg.png)
Madera (amin'ny fiteny portogey : Madeira) dia tambanosy portogey ao amin'ny Ranomasimbe Atlantika. Ny nosy lehibe indrindra ao amin'ny tambanosin'i Madera (90 isan-jaton'ny tanin'ilay tamba-nosy). Faritany miazaka-tena i Madera ary i Funchal no renivohitra. Noho izy an'i Portogaly, mpikambana ao amin'ny Vondrona Eoropeana ny faritanin'i Madera.