Ranomasin' i Arabia
Apparence
![](http://chped.net/https/upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/4/41/Arabian_Sea_map.png/314px-Arabian_Sea_map.png)
Ny Ranomasin' i Arabia na Ranomasin' i Ômàna dia ampahan' ny Ranomasimbe Indiana eo anelanelan'ny Saikanosin' i Arabia ao adrefana, i Pakistàna ao avaratra, ny Zana-kôntinenta Indiana ao avaratra-atsinanana sy atsinanana, nynosy Lakediva maromaro ao atsinanana-atsimo-atsinanana, ary ny tambanosy Maldiva ao atsimo-atsinanana. Ao avaratra-andrefany ny Hoalan' i Ômàna ary ao andrefana ny Helodranon' i Adena. Manana velarana mirefy 3,6 tapitrisa km² izy ary ny lalina indrindra dia mahatratra 5 800 m. Atao hoe بحر العرب / Baḥr al-'Arab, izy amin' ny teny arabo, fa सिन्धु सागर / Sindhu Sagar kosa amin' ny teny sanskrity.