Sekely volafotsy telopolo
Apparence
![](http://chped.net/https/upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/c/cd/Judas_Returning_the_Thirty_Silver_Pieces_-_Rembrandt.jpg/249px-Judas_Returning_the_Thirty_Silver_Pieces_-_Rembrandt.jpg)
Ny sekely volafotsy telopolo na farantsa kely telopolo no vidin' ny namadihan' i Jodasy Iskariôta an' i Jesoa, araka ny firantaran' ny Filazantsaran' i Matio (Mat. 26:15) ao amin' ny Testamenta Vaovao. Talohan' ny Fanasana Farany, dia voalaza fa nankany amin' ny lohan' ny mpisorona i Jodasy ary nanaiky hanolotra an' i Jesoa ho takalon' ny farantsa volafotsy telopolo, ary nanandrana namerina ny vola taorian' izay, rehefa tra-panenenana. Ny Filazantsaran' i Matio dia milaza fa ny fividianana ny sahan' ny mpanefy tanimanga (Akeldama) dia fahatanterahan' i Jesoa ny faminanian' i Zakaria.