Teôfilôsy avy any Antiôkia
Apparence
![](http://chped.net/https/upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/6/64/TheophilusofAntioch.png/220px-TheophilusofAntioch.png)
I Teôfilôsy avy any Antiôkia na Teôfilo avy any Antiôka dia eveka fahafiton' ny Fiangonan' i Antiôkia na Eglizin' i Antiôka tamin' ny taonjato faha-2. Soratra fanamarihana tamin' ny boky tranainy sy amin' ny alalan' ny soratra nataony hiarovana (apôlôjia) ny finoana kristiana izay voatahiry (Traité à Autolycus.), no ahafantarana azy. Ny asasorany ihany sy ny an' i Melito avy any Sardisy no apôlôjeta (mpiaro ny finoana) sady eveka tamin' ny taonjato faha-2.