Toetanin-tendron-tany
Apparence
Ny toetanin-tendron-tany dia toetanin' ny faritra eo anelanelan’ ny faribolan-tendron-tany sy ny tendron-tany. Tsy dia misy firy ny rotsak' orana ary ambany dia ambany ny maripana izay mahalana raha hihoatra ny 0 °C. Rakotra ranomandry mandrakariva ireo faritra ireo.
![](http://chped.net/https/upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/8/8f/Fryxellsee_Opt.jpg/189px-Fryxellsee_Opt.jpg)
Rakotra ranomandry i Arktika izay ahitana an’ i Goenlandy sy i Siberia any avaratra. Toraka izany koa i Antarktika any atsimo, izay efa nahitana hatsiaka mahatratra -88 °C. Mety mahatratra 3 000 m ny hatevin’ ny ranomandry amin’ izany.