Aller au contenu

Ondrilahy (antokon-kintana)

Avy amin'i Wikipedia
Ny antokon-kintan' ny Ondrilahy

Ny Ondrilahy dia antokon-kintan' ny zôdiaka izay andalovan' ny masoandro amin' ny 19 Avrily hatramin' ny 14 Mey. Eo anelanelan' ny antokon-kintan' ny Trondro eo andrefany sy ny an' ny Ombilahy eo atsinanana izy. Ny Ondrilahy, izay atao hoe Aries amin' ny teny latina, dia iray amin' ireo antokon-kintana miisa valo amby efapolo hitan' i Ptôlemeo. Amin' ny teny frantsay dia atao hoe Belier io antokon-kintana io.

Io antokon-kintana io dia atao amin' ny teny arabo hoe االحمل / Al-Hamal ("ondrilahy") izay niavian' ny anaram-bintana sy volana malagasy hoe Alahamady (na Alahamaly amin' ny faritra maro eto Madagasikara). Amin' ny teny grika izy dia ata hoe Κριός / Krios. Amin' ny fiteny soahily dia atao hoe Hamal na Kondoo io antokon-kintana io. Amin' ny teny maley kosa dia atao hoe Hamal na Biri-biri ihany koa izy.

Rehefa nampiasaina amin' ny fanandroana ny antokon-kintana dia nanome ny iray amin' ireo evan'ny zôdiaka mikisaka ho anarany io anaran' antokon-kintana io nefa amin' izao fotoana izao dia efa tsy mifanandrify amin' ny fotoana fandalovan' ny masoandro amin' ny fari-danitry ny antokon-kintana Ondrilahy ny fotoana andalovan' ny masoandro ao amin' ny evan' ny Ondrilahy izay manomboka eo amn' ny 21 Marsa ka miafara amin' ny 20 Avrily.

Ny antokon-kintan' ny Ondrilahy


Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Antokon-kintan' ny zôdiaka:

Evan' ny zôdiaka:

Vintana ao amin' ny fanandroana malagasy: