Manambaho
Apparence
![](http://chped.net/https/upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/9/98/Madagascar_rivers.svg/298px-Madagascar_rivers.svg.png)
I Manambaho dia onin' i Madagasikara ao amin' ny faritra Melaky, ao amin' ny faritanin'i Mahajanga, izay mivarina any amin' ny Lakandranon' i Mozambika. Any amin' ny manodidina an' i Tsiroanomandidy any afovoan-tany ny misy ny loharanony. Mandalo akaikin' i Morafenobe izy, ary ny vinany ivarinany any an-dranomasina dia ao atsimon' i Tambohorano sy ao avaratr' i Maintirano. Miova be ny habetsahan' ny rano entiny ao anatin' ny taona ka azo iampitana an-tongotra izy amin' ny main-tany nefa tondraka izy amin' ny fahavaratra.